Nanenjika jiolahy avy nanafika mpivarotra mpambongady lamba ny mpitandro filaminan’ny polisim-pirenena avy ao amin’ny Service Anti Gang (SAG). Efa azo ny vaovao ary niditra antsehatra avy hatrany ny SAG nanenjika ireo jiolahy ireto. 7 lahy be izao no lavon’ny bala io omaly hariva io, fantatra araka ny vaovao voaray fa nisy amin’ireto jiolahy ireto no efa nigadra teny Tsiafahy, izany hoe voasokajy ho jiolahy raindahiny sy efa tena mpanao azy. Efa nokarohina hatry ny ela ireo 7 lahy nanafika teny Anosibe ireto raha araka ny angom-baovao natao avy eo anivon’ny polisim-pirenena. Faritra mena ary tena andrenesana halatra, fanendahana, fanafihana isan’andro ny eny Anosibe, sy Namontana iny na dia efa misy mpitandro filaminana mivezivezy foana aza ; mihtsy mihitsy ireo jiolahy efa manakan-dalana amin’ny alina raha ny fitantaran’ny mponina eny an-toerana sy ireo izay tratra alina mody.Manampy ireo dia mbola zavadoza ihany koa ny haropasoy anaty taxibe amin’iny lalan’Anosizato Anosibe iny.
Nangonin’i RTT
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,
Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny
Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.