airtel

Fandriampahalemana

26-févr-2024

Fandriampahalemana

Fanafihana sa lonilonin’ny samy manam-basy ?

Sample post image

Miaramila iray matin’ny polisy, olona 7 voasambotra

26-févr-2024

Jiolahy iray matin’ny polisin’ny CSP7 sy ny ny UIR, ary 7 hafa voasambotra ny alinn’y zoma hifoha sabotsy rehefa nanafika « Epi-bar » sy nampiasa fitaovam-piadiana, hoy ny tati-baovaon’ny polisim-pirenena ny faran’ny herinandro teo. Olona 10 no voalaza fa nanafika an’ilay toeram-pisotrosotroana, kanefa tonga tampoka ny polisy, ka raikitra ny fifandonana. Teo no nahalavo ny iray tamin’ireo, ary nisy ny voasambotra, nahatratra 5 no naratra, izay voatery nentina tany amin’ny hopitaly,… Io no ambangovangon’ny an’ny polisy fa misy ihany koa ny vaovao hafa milaza fa miaramila mpiambina olona ambony na « garde du corps » miasa eo anivon’ny Antenimierampirenena ity maty voatifitry ny polisy ity. Sao mba tranga avo lenta mitovitovy amin’ilay teny Andohan’i Mandroseza ny novambra 2023 izay nisiana fahafatesana olona 5 heverina ho nanana fifandraisana tamina mpitondra, izay tsy re intsony ny tohiny ? Misy ihany koa andaniny ny resaka milaza fa efa nisy disadisa teo aminy sy ny polisy iray saingy tsy niravona ka niafara tamin’ny fifampitifirana. Misy filazana hafa ihany koa anefa naneho fa tsy fanafihana no nisy fa fianankaviana avy nilanonana. Ahoana anefa ny izany aza no hahafahana mitondra basy any anaty toeram-pisotroana? Tranga fahita ihany koa anefa ny fisiana mpitandro filaminana tafiditra amin’ny asan-jiolahy ka asa hoe : tena izany tokoa ve no niseho teto sa hafa mihitsy noho ny resaka mifamahofaho ? Somary saropady ary stratejika be ity toe-javatra ity ka andrasana ny mety ho fanampim-panazavana eo anatrehan’ity raharaha ity. Toa manamafy ny lonilony eo anivon’ny mpitandro ny filaminana, izay betsaka ireo tranga toa maneho ady mangatsiaka, raha ny endriny ivelany. Tsy resaka fankahalana tsy fitiavana mpitandro ny filaminana, fa misy ihany koa ny mety lesoka any amin’ny fampidirana sy fandraisana olona eo amin’io sehatra io ka mety misy tsy mahazaka fahefana sy fitazonana basy ka mety manaonao foana. Misy ny mety endrika « fifanindriana » ka mety tsy mifampazaka,... Vao iray volana teo ohatra no nisian’ilay miaramila nitifitra nahafaty zandary teny Ivato. Misy ihany koa ny endrika fanaparan-kery toy ny tranga nisiana zandary nitifitra variraraka lehilahy handeha hivarotra kisoa Vinaninkarena Ambositra ny fiandohan’ny janoary,… Fa mbola fanamarihana mandeha ihany koa ankehitriny eo amin’ny lafiny fitandroana ny filaminana ny hoe : Nahoana no tsy mety voatendry ny Lehiben’ny Etamazaoro na ny CEMA sy ny Kaomandy ambonin’ny zandarimariam-pirenena taorian’ny nanendrena ireo teo amin’ny toerana ho mpikamban’ny governemanta?
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap