airtel

Fandriampahalemana

03-mars-2025

Fanafihana teny Ambodiafontsy

Voasambotra ireo 2 lahy hita tao anaty « caméra »

Sample post image

Tratra ireo no tompon’antoka tamin’ny fanafihana natao tao amin’ny tokantrano iray teny Ambodiafontsy Ampitatafika,

03-mars-2025

ny alin’ny 28 febroary lasa teo. Voasambotry ny Zandary ary notazonina ao amin’ny brigady Fenoarivo ireo ankehitriny, raha ny tatitra. Tany Anjeva no nahatrarana ny anankiray, raha teny sabotsy Namehana kosa no nisamborana ilay namany. Raha hiverenana, niaritra herisetra ny zanaky ny tompon-trano, izay noratrain’izy ireo, ankoatra ny halatra natao. Hita tao anaty horonantsary avy amin’ny "caméra de surveillance" ny fihetsika nataon’izy ireo, ary niparitaka haingana tao amin’ny tambajotra sosialy "Facebook" ny sary sy ny horonan-tsary. Vokatr’izany dia natao ny fikarohana, izay nahitam-bokany ka nahafahana nisambotra azy ireo. Hatolotra ny fitsarana tsy ho ela ity raharaha ity.
Nangonin’i Toky R
 

Dans la même rubrique

20-avril-2026

voaroba ny vola sy firavaka

Card image cap
20-avril-2026

am-panendahana vehivavy ilay jiolahy

Card image cap