airtel

Fandriampahalemana

20-avril-2026

Mpamongady voatafika

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

Sample post image

voaroba ny vola sy firavaka

20-avril-2026

Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao Ambatolampy RN7 ny harivan'ny sabotsy teo. Tranombarotra mpamongady iray ao amin'ny vakiparitra Nazareta, Fokontany Andafiatsimo no lasibatra tamin'io. Valo lahy mitam-basy no voalaza nanafika, ka lasan'izy ireo tamin'izany ny vola sy firavaka. Tovolahy roa no naratran'ny tifitra nataon'ireo jiolahy nandritra ny fitsoahan'ireto farany tao anaty haizina sady nanakanany ireo izay nikasa hanenjika azy ireo. Tsy mbola nisy voasambotra moa ireo olon-dratsy hatreto. Mandeha ny fikarohana ataon'ny mpitandro ny filaminana azy ireo. Teo amin'ny fe sy faritry lohalika no niantefan'ny bala tamin'ireo tovolahy roa naratra nandritra io fanafihana io. Tonga nitsidika azy ireo tao amin'ny hopitaly ao an-toerana i Rakotomalala Mika, Ben'ny tanànan'ny Kaominina ambanivohitra Ambatolampy, omaly, nankahery sy nirary fahasalamana ho azy ireo ary koa nampahery ny tokantrano izay niharan'ny fanafihana. Nambarany fa horaisiny an-tanana manontolo ny fitsaboana azy roalahy, ary hakarina anio aty an-drenivohitra izy ireo hanohy ny fitsaboana noho halehiben'ny fahavoazana. Laharampahamehana ny fametrahana sy fanoloana ny jiro manerana an'Ambatolampy, hoy ny Ben'ny tanàna, ity farany izay nanipika fa efa ampolo taona lasa no nisy tranga asan-dahalo mitam-piadiana toy izao Ambatolampy.
Jean D.
Ny Ben'ny tanàna Rakotomalala Mika nitsidika ireo tovolahy naratra voatifitry ny dahalo
 

Dans la même rubrique

24-août-2026

Avotra soa aman-tsara i Sandratriniaina,

Card image cap
24-août-2026

Mitantara ireo efa lasibatra

Card image cap
24-août-2026

Nisehoana tranga mampalahelo heverina

Card image cap
21-août-2026

Voasambotra tany Manakara

Card image cap
21-août-2026

Razana miisa 8 no lasan'ireo jiolahy

Card image cap
21-août-2026

namonoana Raim-pianakaviana

Card image cap