airtel

Fandriampahalemana

21-août-2026

VAKY FASANA TAO

TSIROANOMANDIDY

Sample post image

Razana miisa 8 no lasan'ireo jiolahy

21-août-2026

Mahazo vahana hatrany ny vaky fasana any amin'ny distrikan'i Tsiroanomandidy, Faritra Bongolava. Tao Ambavaloza, Kaominina Anosy indray no nitrangan'izany. Fasana iray indray no hitan'ny fokonolona efa nidanadana afak'omaly Alarobia 19 Aogositra, tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany hariva. Araka ny vaovao voaray dia razana miisa 10 no tao am-pasana saingy rehefa nojerena dia roa sisa no tavela. Efa misokatra ny fanadihadiana hataon’ny zandary mikaroka ireo tompon’antoka. Miezaka mamantatra ny tsiambarantelo fonosin'ity resaka vaky fasana ity ihany koa izy ireo. Tsiahivina moa fa na dia efa nisy aza ireo jiolahy mpamaky fasana tratra dia tsy mbola nisy tamin'izy ireny no sady nilaza na nampahafantatra izay naniraka azy. Aleon'izy ireny manao vy very ny ainy mamita sazy any am-ponja.
Nangonin'i Pati


Légende : Tahaka izao ny zava-nitranga !
 

Dans la même rubrique

21-oct-2026

100 taonina isan-taona,

Card image cap
21-oct-2026

Tratra ihany rehefa avy

Card image cap
20-oct-2026

Nisy 21.000 litatra indray saika hisy hanodina

Card image cap
20-oct-2026

saran-dalana ho any amin’ny varo tsy mifody

Card image cap
20-oct-2026

Olona handeha hividy omby

Card image cap