Mahazo vahana hatrany ny vaky fasana any amin'ny distrikan'i Tsiroanomandidy, Faritra Bongolava. Tao Ambavaloza, Kaominina Anosy indray no nitrangan'izany. Fasana iray indray no hitan'ny fokonolona efa nidanadana afak'omaly Alarobia 19 Aogositra, tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany hariva. Araka ny vaovao voaray dia razana miisa 10 no tao am-pasana saingy rehefa nojerena dia roa sisa no tavela. Efa misokatra ny fanadihadiana hataon’ny zandary mikaroka ireo tompon’antoka. Miezaka mamantatra ny tsiambarantelo fonosin'ity resaka vaky fasana ity ihany koa izy ireo. Tsiahivina moa fa na dia efa nisy aza ireo jiolahy mpamaky fasana tratra dia tsy mbola nisy tamin'izy ireny no sady nilaza na nampahafantatra izay naniraka azy. Aleon'izy ireny manao vy very ny ainy mamita sazy any am-ponja.
Nangonin'i Pati
Légende : Tahaka izao ny zava-nitranga !