airtel

Fandriampahalemana

21-août-2026

OLONA EFATRA NIKASA

HIVAROTRA ZAZA 8 TAONA

Sample post image

Voasambotra tany Manakara

21-août-2026

Olona efatra no voasambotry ny Polisy tany Manakara ny faran'ny herinandro teo. Fantatra fa nikasa hivarotra zazalahy kely iray vao 8 taona monja izy ireo. Niainga avy any amin’ny Kaominina Efatsy, Distrikan’i Farafangana, ireo voarohirohy ka nitondra ilay zaza ho any Manakara. Araka ny fanadihadiana, natao dia kamboty ilay zazalahy kely tsy manan-tsiny ary notezain’ny iray tamin’ireo voarohirohy. Nokasainy havadika vola anefa ilay zaza rehefa ela ny ela. Vehivavy ny roa tamin'izy ireo raha lehilahy kosa ny roa ambiny. Efa nisy ny olona nifampiresahany saika hividy ilay zaza. Nandritra izany anefa no nisy nahatsikaritra ny teti-dratsin'izy ireo ka noraisim-potsiny izy efatra. Natolotra ny Fitsarana ny Talata 18 Aogositra teo izy ireo ary samy niaiky ny fiampangana azy avokoa. Efa notazonina am-ponja izy ireo, raha toa ka napetraka eo ambany fiahian’ny Fitsarana kosa ilay zazalahy kely ho fiarovana ny ainy.
Nangonin'i Pati


Légende : Ireo olona 4 voasambotra !
 

Dans la même rubrique

21-août-2026

Razana miisa 8 no lasan'ireo jiolahy

Card image cap
21-août-2026

namonoana Raim-pianakaviana

Card image cap
21-août-2026

Tovolahy iray 26 taona no nosamborin'ny

Card image cap
20-août-2026

Tovolahy mpila ravinahitra avy

Card image cap