airtel

Fandriampahalemana

24-août-2026

TOVOVAVY ROA NISY NAMONO

Tokony ho tratra ny olon-dratsy raha miray hina…

Sample post image

Nisehoana tranga mampalahelo heverina

24-août-2026

ho mifandraika amin'ny fahaverezana arahina vono olona indray teny Ambohimanga Rova. Very ny zoma lasa teo, ary hita faty omaly alahady 23 aogositra 2026 ny tovovavy roa vao erotretrerony, mpinamana. Nandeha nijery Cinéma teny Ambodivona i Nohasoavina Mikaella Israele Stéphanie, 21 taona, sy Samison Vololoniaina Haingotiana, 17 taona. Izay no nialan'izy 2 vavy ny an-trano eny Manjakaray ny zoma maraina. Rehefa samy tsy nisy azo antso intsony dia, notsirihina ny findain'izy ireo ka nanondro eny Ambohimanga Rova. Ny fikarohana no nahitàna ny vata-mangatsiaka omaly tolakandro, teny Andranomatsatso, kaominin'Ambohimnga Rova. Nodidiana ny tendan'izy ireo. Feno dian-java-maranitra ny tenda sy ny loha. Ny 1 niharan'ny herisetra ara-nofo, araka ny tatitra taorian’ny fitsirihan’ny mpitsabo. Tombanana ho tany amin'ny toeran-kafa no novonoina ary teny Andranomatsatso no nariana ny vata-mangatsiaka. Hita faty, navarina tao anaty hantsana izy mirahavavy taorian’ny filazana fahaverezana ny zoma hariva teo. Ilay tovovavy ao amin'ny rindran-tsarin'ny hira "tsodrano" an'ny mpanakanto Tann Faya i Stéphanie, raha ny nambaran'io mpanakanto io naneho ny alahelony, ary nanamarika fa olona tsotra kely sy tena mahay mifandray aman'olona ilay tovovavy. Mbola baraingo kosa ny antony namonoana azy ireo. Fikirakirana sy fampiresahana tamin’ny tambajotran-tserasera niteraka teti-dratsy mba hanararaotana ireo tovovavy ? Natao sorona satria toerana misy vatobe izay ahitana doany no nahitana ireo faty ? Novonoina noho ny lonilony ? Valifaty ? Hetraketraka ? Fampihorohoroana ? Fanohizana ny fanakorontanana Firenena ? Araka ny antontan’isa ofisialy, hatramin’ny fiandohan’ny taona 2026 dia olona 256 no voamarika ho very teto Madagasikara. 175 no hita indray, ary 9 no hita faty taorian’ny fahaverezana. Efa nisy moa ny fanazavana ofisialy naneho fa misy ireo tranga sy faty olona mifandraika amin'ny fahaverezana fa misy ireo fahitana razana mety ho antony hafa izay nahatratra hatrany amin'ny 30. Ny ankamaroan’ireo tranga dia mifandray amin’ny olana ara-pianakaviana, saingy misy ihany koa ny vono olona sy ny loza mampiahiahy, izay ny fitsirihana ara-pitsaboana no isan’ny mamaritra azy. Misy ny fisamborana maro natao mikasika ireo fahaverezana sy vono olona, toy ilay nisavana toerana fivorian'ireo ambara fa Fikambanana miafina teny Ivandry, nisian'ny fisamborana olona ambony teo amin'ny sehatry ny fampianarana. Tahaka izany koa ireo voarohirohy tamin'ny raharaha famonoana tovovavikely iray avy eny Ampefiloha Ambodirano, ny tany Ambositra, ny afera varira tany Toliara,... Efa somary nihena nitranga saingy sanatria mbola misy mitady hamerina? Mbola misy atidoha mikotrika zava-doza any ambadika any ? Sa tranga maningana itony vao miseho itony fa tsy misy ifandraisany intsony ? Entanina foana ny rehetra ho mailo ary mba hanohy ny fandraisana andraikitra mafonja ny Fanjakana, hanamafisana ny ezaka fampandriana ny tany.

ANTSO FIRAISANKINA SY FIFANOMEZAN-TANANA
Niparitaka ny filazana sy antso avo omaly ho an’izay olona mana-baovao momba ireo olona mety namono azy roa vavy mba hilaza ny Mpitandro Filaminana fa misy valisoa 50.000.000Ar omen’ny Fanjakana ireo rehetra izay ahazoana vaovao ahafahana misambotra ireo olo-dratsy, saingy tsy tena hita tamin’ny filazam-baovao ofisialy aloha ny momba io tambiny io hatramin’ny nanoratanay. Angatahana izay nahita ny olona nanaraka an-dry zareo teny Ambodivona, hoy ny antso niparitaka. Miantefa indrindrindra indrindra amin’ireo : Izay nahita ny fiara naka an-dry zareo teny Ambodivona ; izay nahita olona sy fiara hafahafa teny Ambohimanga Rova nahitana ny razana, izay manana video camera de surveillance ahitana an-dry zareo ; izay mana-baovao hafa rehetra afaka hanampy hamantarana ireo olo-dratsy. Tokony ho tratra ny olon-dratsy raha miray hina, mifanome tànana ny rehetra, miara-miasa ny vahoaka sy ny Fanjakana,... Na misy tambiny na tsia dia zava-dehibe ny fifanomezan-tanana eo amin’ny rehetra amin’ny raharaha tahaka izao sy ny fisorohana ny tsy hisehoan’ny toy izao intsony, izay heverina fa isan’ny zava-dehibe hiadiana amin’ny asa ratsy sy zava-doza tahaka itony mba hampilamina ny tany.

Toky R
 

Dans la même rubrique

24-août-2026

Avotra soa aman-tsara i Sandratriniaina,

Card image cap
24-août-2026

Mitantara ireo efa lasibatra

Card image cap
21-août-2026

Voasambotra tany Manakara

Card image cap
21-août-2026

Razana miisa 8 no lasan'ireo jiolahy

Card image cap
21-août-2026

namonoana Raim-pianakaviana

Card image cap
21-août-2026

Tovolahy iray 26 taona no nosamborin'ny

Card image cap