Renim-pianakaviana miisa 2 monina eny Ambohidratrimo no nitantara ny nanjo azy ireo rehefa avy niharana asa ratsy tamin'ny alalan'itony antsoina hoe fandraikirekena itony. Raha ny fitantaràna voaray dia samy teo amin'ny toerana antsoina hoe Andranotapahana avokoa no nahavoa azy ireo. Ilay ramatoa iray somary nisy nikapoka ny lamosiny dia notantanan'ilay nikapoka fotsiny avy eo ho eny amina toerana mangingiana iray nanoloana vahavahadin'olona. Efa lasan'ilay olon-dratsy ny vola sy entana sarobidy teny an-tanana vao tonga saina elaela taorian'izay. Raha ny fitantaran'ilay renim-pianakaviana iray hafa indray dia efa hiditra ny vahavahadin'ny tranon'izy no nisy ramatoa nanenjika azy hoe misy volanao latsaka ity. Nitodika aho, hoy ilay ramatoa namaly hoe tsy ahy iny. Somary nokapohany kely ny lamosiko dia lasa nihaino izay nambarany teo fotsiny aho. Nokapohany im-betsaka indray avy eo ny valahako dia sady nasainy niditra naka ny findaiko tao an-trano ao no hoe miverena aty avy eo. Rehefa niverina nivoaka ny vavahady niaraka tamin'ilay finday efa azo, amin'io ny poketra mbola nisy vola 40.000 Ariary mbola tety am-bozonana, dia nentin'ilay olona teny Andranotapahana. Toerana mangingiana io ary teo no nanararaotany nakàna ny rehetra, izany hoe, ilay finday sy vola. 15 minitra taorian'ny nialan'ilay olona teo aho vao nahatsiaro tena, hoy hatrany ity renim-pianakaviana ity. Niala teo hiverina ho any an-trano aho, hoy izy, avy eo no nitanondrika rehefa nahita "taxi-phone" iray ary nitantara tamin'ilay olona ny nanjo ahy. Ny hany hitan'ilay mpanao "taxi-phone" nambara sisa dia ny hoe misaora an'Andriamanitra fa mba tsy ianao no lasa tany amin'izao andro mampirongatra ny halatr'olona izao, hoy ihany ity renim-pianakaviana ity nitantara ny nanjo azy.
Nangonin'i J. Mirija