airtel

Fandriampahalemana

21-août-2026

FANAFIHANA TETSY ANOSIBE

Vola 1 tapitrisa Ar

Sample post image

namonoana Raim-pianakaviana

21-août-2026

Zava-doza no nitranga tetsy Anosibe ny Talata 18 Aogositra teo. Tokantrano iray no notafihin'ny jiolahy nirongo basy tamina lela-vola 1 tapitrisa Ar monja. Maty voatifitra tamin'izany ny Raim-pianakaviana iray vao 48 taona monja. Mihorohoro sy mitaraina ireo mponina eny Anosibe vokatr'izany. Lasa mahazo vahana indray mantsy ny asan-jiolahy mitam-piadiana eny amin'iny faritra iny tato ho ato. Voalaza fa misy olona mitondra basy mandehandeha eny an-dalana ary toa tsy matahotra intsony. Misy koa ireo mitondra antsy amin'ny andro atoandro. Mitaky fandraisana andraikitra sy fanamafisana ny fiarovana ny ainy sy ny fananany ny mponina, noho ny fahasarotan’ny fandriam-pahalemana eny an-toerana.
Nangonin'i Pati

 

Légende : Namoy ny ainy ilay Raim-pianalaviana vao herotrerony !
 

Dans la même rubrique

21-août-2026

Voasambotra tany Manakara

Card image cap
21-août-2026

Razana miisa 8 no lasan'ireo jiolahy

Card image cap
21-août-2026

Tovolahy iray 26 taona no nosamborin'ny

Card image cap
20-août-2026

Tovolahy mpila ravinahitra avy

Card image cap