airtel

Fandriampahalemana

23-mars-2023

Fandriampahalemana

Fanakorontanana eny an-dalambe Tovolahy tsy ampy taona 11 isa no nosamborina tao Toamasina

Sample post image

Ankoatra an’Antsiranana dia efa tongan’ireo andiana tovolahy kely mpanakorontana ihany koa na ny foroches

23-mars-2023

amin’izao fotoana ny ao Toamasina. Nanomboka ny sabotsy 18 martsa ka hatramin'ny talata 21 martsa lasa teo dia nahatratra 11 isa ireo voatery nosamborina tany an-toerana, indrindra fa ny tao Mangarivotra. Raha araka ny fantatra dia nanao herisetra an-dalambe izy ireo no sady mitabataba. Voatery nanao hetsika mihitsy ny Polisy ao Toamasina noho izany. Malaza mihitsy ireto tanora ireto manakorontana sy manao herisetra amin'ny olona mifanena aminy. Mitondra antsy lava ry zareo mandritra izany. Ny 10 tamin’izy ireo dia voasambotra nanomboka ny sabotsy 18 Martsa teo tao Mangarivotra Toamasina, ka notanana tao amin'ny kaomisarian’ny boriboritany faharoa tao Mangarano. Ny talata 21 martsa teo kosa no voasambotra ihany koa ny tovolahy iray izay tena mpitarika ireto andian-jatovo ireto. Voamarina izany tamin' ny alalan'ny kapa nanaovany izay adino niaraka tamin'ireo namany voasambotra. Tamin'ny fanadihadiana natao dia fantatra fa mbola mpianatra ao Mangarano II daholo ireto tovolahy voasambotra ireto ary mbola tsy ampy taona daholo.
Pati
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,

Card image cap
21-mai-2025

Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny

Card image cap
21-mai-2025

Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.

Card image cap