airtel

Fandriampahalemana

11-juin-2024

Fanamboarana « Autoroute »

Tratra ireo mpanodinkodina gazoala

Sample post image

Nifanehitra tamin'ny Zandary mpanao fisafoana ny alin’ny 08 hifoha 09 jona lasa

11-juin-2024

teo ny fiara tsy mataho-dalana iray nitondra gazoala miisa 16 bidons amin'ny 20 litatra isanisany. Rehefa nanontaniana ny fiavian'ireo gazoala ireo ny olona izay tao anatin'ilay fiara dia niaky fa halatra teny amin'ny fiara vaventy mpanamboatra ny lalam-be migodana mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina ireo nentiny ireo. Omaly Alatsinainy 10 jona 2024 no nosamborin’ ny Zandary avy ao amin'ny Borogadin’i Talata Volonondry ireo mpiasa ao anatin'ity orinasa mpanao ny lalana ity, izay fantatra fa namoaka ireo gazoala ireo. Miisa dimy lahy izy ireo izay fantatra fa efa mamelom-bady aman-janaka avokoa. Hiakatra fitsarana rahampitso Alarobia 12 Jona ny raharaha.
Pati
Legende : Ireo gazoala halatra sy ireo olona nanodinkodina azy !
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nahitam- bokatra ny ady amin'ny asan-jiolahy hataon'ny Polisim-pirenena .

Card image cap
24-juil-2024

Volabe mitentina 3.800.000 Ariary no lasan’ny tovolahy iray 19 taona izay mpiasa an-trano,

Card image cap
24-juil-2024

Lehilahy iray nambaran’ny havany fa handeha haka fanafody tany amin’ny toeram-pitsaboana

Card image cap