airtel

Fandriampahalemana

29-févr-2024

FANENDAHANA TETSY AMIN’NY 67 HA

Olona 4 tratra rehefa avy nisakoroka mpitondra moto

Sample post image

Lehilahy miisa 03 sy vehivavy iray no voasambotry ny Polisin’ny

29-févr-2024

UIR Tsaralalana ny 27 Febroary teo tokony ho tamin'ny 02 ora sy 24 minitra maraina tetsy 67 ha rehefa nanendaka. Polisy avy nanao fisafoana nivoaka avy any anaty elakelan-trano no nahatratra ireto mpanendaka efatra mianadahy ireto. Lehilahy iray nitondra moto, hamonjy fodiana no nosakanan'izy ireo tao ambadikin'ny tombin-dasantsy Jovenna 67ha. Nohididinin’izy ireo,nataony afovoany, misy ny nanakana teo aloha, nisy ny nibahana avy ao aoriana, ny ambiny kosa naka ny firavaka teny aminy ka lasan'izy ireo nandritra izany ny firavaka volafotsy teny amin'ny tendany sy ny tanany . Rehefa azon'ireto olon-dratsy ireto ny zavatra nilainy dia vaky nandositra izy ireo ary tamin’izay fotoana izay no nifanehitra tamin’ireo Polisy nivoaka avy nanao fisafoana izy ireo ka noraisim - potsiny. Mbola hita teny amin 'izy ireo firavaka vao avy norobainy. Nosamborina ary noentina eny amin'ny biraon’ny Polisy izy 4 mianadahy .
Pati
Legende : Ireto izy 4 mianadahy tratra !
 

Dans la même rubrique

07-févr-2025

Basy vita gasy iray niampy bala miisa 4 calibre 12, no sarona tao anaty kitapo natsipina lehilahy miisa 3 nitsoaka

Card image cap
07-févr-2025

Nahatrarana rongony 375 fototra sy raviny efa maina afak’omaly Alarobia 05 Febroary tamin’ny 08 ora

Card image cap
06-févr-2025

Velon-taraina ny mponina eny amin’ny fokontanin’Ambatobe manoloana ny vaky trano na hala-boty

Card image cap