airtel

Fandriampahalemana

22-janv-2024

FENERIVE EST

Lehilahy iray maty notetitetehan’ny rafilahiny

Sample post image

Nipoitra ny marina mikasika ilay raharaha vono olona mahatsiravina nitranga tao

22-janv-2024

Vohitraivo Fokontany Ambilidaozera kaominina ambanivohitra Ampasina-Maningory, distrikan’i Fénérive-Est ny 04 Janoary lasa teo. Vokatry ny fanadihadiana lalina nataon’ny zandary tao amin’ity distrika ity no angady nananana sy vy nahitana izany.Fantatra ary fa tovolahy iray 23 taona no tompon'antoka tamin’ny fitetitetehana ilay lehilahy 68 taona tamin’ny antsy, antony namoizan’ity farany ny ainy. Rafilahiny ihany io lehilahy io. Naka ny vadin’io tovolahy io mantsy Itompokolahy , tovovavy izay vao 19 taona monja. Novakiany tamin’ity tovovavy ity ny marina ka nentiny nitsoaka ity farany. Tsy mba nahalala ny nampandre ny fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana ilay tovovavy nandritra izany fa nanaiky mora fotsiny ihany ihany koa. Voasambotra ny 12 Janoary lasa teo tao Antsiraben'i Seva any Fotsialanana distrikan’i Soanierana-Ivongo izy mivady vokatr’izany. Lasa voasokajy ho mpiray tsikombakomba mantsy ilay tovovavy raha mpamono olona kosa ilay lehilahy vadiny. Efa naiditra am-ponja vonjimaika moa izy ireo hoy ny vaovao.
Pati
Legende : Ireto izy mivady sy ny fatin’ilay Rangahibe 68 taona !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap