omaly Alarobia 04 Septambra tany amin’ny kaominina ambanivohitr’i Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano. Tsy tahotra tsy henatra izy ireo nanao izany tamin’ny andro atoandrobe nanahary ka nisy nahatsikaritra. Nilaza izy ireo rehefa nohadihadiana fa efa fanaony ny tahaka izao rehefa misy voronolona sendra mandalo eo akaikin'izy ireo; ary averiny ihany rehefa hitan'ny tompony ao anatin’ny tambohony. Avobe sy tsy tazana avy aty ivelany mantsy ny tamboho mamefy ny tananan’izy ireo. Somary sakaitra ihany moa ny rehetra nahare izany saingy na averina na tsy averina ny voron’olona dia efa mpangalatra sy mpambotry ny fiaraha-monina hatrany izany. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana izy mivady.
Pati
Legende : Resaka hala-borona no hamotehan’izy mivady ireto ny fiainany !
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,
Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny
Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.