Tsy hanavahana intsony izany na lafovidy na antonony vidy fa hataon’ireo tontakely mahita avokoa rehefa azo havadika ho vola. Hatreto dia ny milliardaire, anthurium, belle du jour, fleur de lune, orchidées, cymbidium, phalaenopsis, shibori, no tena tsiriritin’ireo mpangalatra. Efa mahatratra an’hetsiny mantsy ny vidin’ny sasany amin’izy ireny izay marihina fa ireo mpanam-bola no tena manana azy. Miantso ireo olona manana ireny karazam-boninkazo ireny ka mivarotra ny CIRGN Antananarivo noho izany mba tsy ho diso hahatoky olona loatra ka hanoro ny toerana famboleny voninkazo...Lasa manome fakam-panahy ireo mpanao ratsy mantsy izany hoy izy ireo, ny fiainana rahateo mihasarotra. Tsiahivina moa fa am-polony ireo olona efa nitaraina ho very voninkazo teo an-tokontany sy teny an-davarangana teto an-drenivohitra sy ny manodidina ka anisany ireo voalaza etsy ambony ireo. Na izany aza dia nanamafy sy CIRGN fa zon’ny tompon’ny voninkazo tsara ny mitory raha tojo fahaverezana izy ireny.
Pati
Legende : Santionany amin’ireo karazam-boninkazo lafo vidy tena katsahin’ny mpangalatra !
Basy vita gasy iray niampy bala miisa 4 calibre 12, no sarona tao anaty kitapo natsipina lehilahy miisa 3 nitsoaka
Nahatrarana rongony 375 fototra sy raviny efa maina afak’omaly Alarobia 05 Febroary tamin’ny 08 ora
Velon-taraina ny mponina eny amin’ny fokontanin’Ambatobe manoloana ny vaky trano na hala-boty