airtel

Fandriampahalemana

29-oct-2026

Fifampitifirana teny Manarintsoa

Jiolahy nentina nitari-dalana

Sample post image

maty voatifitra

29-oct-2026

Nifandray tamin'ilay Fanafihana nahafaty mpivarotra iray tetsy Anosibe tsena dia nanatanteraka hetsika fandravàna tambajotran-jiolahy mpamatsy basy ireo jiolahy eto an-drenivohitra ny Polisim-pirenena nahitana ny SAG (Service Anti Gang) sy ny borigady misahana ny ady heloka bevava. Fantatra fa maromaro ireo voasaringotra tamin’iny raharaha iny izay niainga tamin’ny fahatrarana ilay jiolahy antsoina hoe : Mamenosoa tany Betroka herinandro lasa izay. Taorian’izay dia nisy jiolahy iray anisan’ireo mpamatsy basy voasambotry ny Polisim-pirenena, teto Antananarivo, ary nahatratrarana basy vita tanana miaraka amin'ny bala iray "calibre 7,65 mm" teny aminy. Nanoro ny namany hafa ity farany, izay voalaza fa mitazona ilay basy poleta Makarov nampiasaina tamin’ny fanafihana tetsy Anosibe, ka eny Manarintsoa no misy trano fihereny. Fantatra tamin’ny fanadihadiana fa miovaova isan’andro ny toerana misy io jiolahy mitazona ilay Makarov io, ary tsy mijanona amina trano iray, toy izany avokoa ireo tafiditra ao amin’ity raharaha ity. Nanomboka afak’omaly 27 Oktobra hariva no nanao fikarohana ilay jiolahy teny Manarintsoa ny Polisin’ny BC sy ny SAG, ka ilay jiolahy efa tratra teo aloha izay nahatratrarana basy vita tanana "7,65 mm" no nentina nanoro ny toerana. Tokony ho tamin’ny 10 ora alina dia nipoitra tokoa ilay olon-dratsy izay efa kaodikaody, ary nitifitra avy hatrany ka nahatonga fifandonana teo amin’ny roa tonta. Raikitra ny fifanjevoana saingy tafaporitsaka tany anaty elakelan-trano maizina ilay jiolahy ary mbola karohina fatratra. Tao anatin’izany kosa dia voan’ny balan’ny namany izay tafaporitsaka io ilay jiolahy nentina nitari-dalana, ary na nisy aza ny ezaka natao ho fitsaboana azy dia maty vokatry ny tifitra nataon’ny namany ity olon-dratsy ity. Rehefa natao ny fanarahan-dia sy fisavàna ny manodidina dia hita latsaka tanaty elakelan-trano ilay basy Makarov ary giazana hatao porofo.
Nangonin’i Pati
Legende : Jiolahy iray aloha hatreto no maty !
 

Dans la même rubrique

29-oct-2026

Dubaï nahatrarana 275g

Card image cap
28-oct-2026

Avotra soa amantsara ireo

Card image cap