airtel

Fandriampahalemana

29-oct-2026

Trafikana volamena

Mpandeha 2 ho any

Sample post image

Dubaï nahatrarana 275g

29-oct-2026

Mpandeha roa handeha ho any Dubaï indray no tratran’ny Fadintseranana Malagasy nitondra volamena milanja 275 grama, izay tsy nanaovana fanambarana ara-dalàna, ary nafenina tao anaty palitao. Sarona teny Ivato omaly 28 oktobra 2026 tokony ho tamin’ny 4ora sy 50 minitra hariva ireo, rehefa fanaraha-maso mialoha ny fidirana ao amin’ny efitra fiandrasana fiaingana. Nampiahiahy ireo mpiasan’ny Fadintseranana ny sary niseho tamin’ny « scanner » rehefa nojerena ny palitaon’ireo mpandeha. Rehefa natao ny fisavana dia « bracelets » maromaro, mbola tsy voatefy tsara sady tsy misy marika fanamarinana, no hita tao anaty paosy. Nentina teny amin’ny sampan-draharaha misahana ny Harena an-kibon’ny tany ireo firavaka mba hamaritana ny tena karazany. Nohamafisin’ny fanamarinana fa volamena tokoa ireo entana. Nogiazana avy hatrany ny volamena, raha mbola mitohy kosa ny fanadihadiana momba ireo mpandeha voakasika . Efa mihoatra ny 3 kilao ny volamena tratra tao anatin’ny herinandro monja, araka ny tarehimarika navoakan’ny Fadintseranana Malagasy. Vao andro herinandro izay no nisy ilay vehivavy teratany sinoa nahatrarana volamena 2,85kg nasisika tao anaty fitombenana. Nisy moa omaly ny fampitaovana napetraka ho fanamafisana ny fanaraha-maso ny zava-misy eny an-toerana. Araka izany, « tablettes » sy ny « caméras embarquées » miisa enina avy no natolotra hampiasaina avy hatrany no entina hiaro ny mpiasa manatanteraka ara-dalàna ny asany. Nampahatsiahivina ny adidin’ny mpiasa ny mampandre avy hatrany ny tomponandraikitra sy hanao tatitra rehefa misy tranga tsy ara-dalàna.
Toky R

 

Dans la même rubrique