airtel

Fandriampahalemana

23-mai-2024

Fifampitifiran’ny dahalo sy zandary

Voa tao amin’ny lamosiny i Nary Volomborona

Sample post image

Dahalo iray fanta-daza mpamerin-keloka amin’ny fanafihana mitam-piadiana antsoina hoe Nary volomborona,

23-mai-2024

izay efa nokarohina hatrin'ny ela no hitan'ny mponina nihaodihaody tao Andraitsimiemona Ambohibary, Arivonimamo, ny alin'ny 18 may 2024 lasa teo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Niantso ny mpitandro ny filaminana avy hatrany ireo mponina ka nifanehitra teo amin’ny fidirana ny tanàna ilay dahalo sy ireo zandary. Nitifitra avy hatrany moa ity dahalo ity ary namaly ny mpitandro ny filaminana ka voa tao amin'ny lamosiny i Nary volomborona . Noho ny fahaverezan-drà be loatra dia tsy tana intsony ny ain'ilay dahalo. Tratra teny aminy, mazava ho azy, ny basy vita gasy iray ary nahitana taim-bala «calibre 12» ihany koa teo amin’ny manodidina rehefa natao ny savahao. Taorian'ny fizahana nataon'ny mpitsabo no nanolorana ny razana tamin'ny fianankaviana raha toa ka niroso tamin'ny fampandrenesana ny tonia mpampanoa lalàna ao Imerintsiatosika ny zandary ao an-toerana, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nahitam- bokatra ny ady amin'ny asan-jiolahy hataon'ny Polisim-pirenena .

Card image cap
24-juil-2024

Volabe mitentina 3.800.000 Ariary no lasan’ny tovolahy iray 19 taona izay mpiasa an-trano,

Card image cap
24-juil-2024

Lehilahy iray nambaran’ny havany fa handeha haka fanafody tany amin’ny toeram-pitsaboana

Card image cap