airtel

Fandriampahalemana

01-févr-2024

Fifandonan’ny jiolahy sy ny zandary

3 maty teny Ambohibe Ilafy, 3 hafa teny Soanarivo

Sample post image

Nihampatrampatra ny fatin’ireo voalaza fa jiolahy mpameron-keloka amin’ny fakana an-keriny

01-févr-2024

sy fanafihana mitam-piadiana ny andron’ny omaly teny Ambohibe Ilafy, Kaominina Ankadikely Ilafy, distrikan’Antananarivo Avaradrano. Jiolahy miisa 3 notarihin’i Didabe no lavo niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana, raha ny fampitam-baovao sy sary navoakan’ny zandary. Voalaza fa saika haka an-keriny teratany vahiny. Angom-baovao azo avy tamin'olon-tsotra andro vitsy lasa izay, nampiana fanadihadiana sy fikarohana no nitarika tamin'ny fahalavoana jiolahy miisa 03 fanta-daza satria efa mpamerin-keloka amin'ny fanaovana fanafihana mitam-piadiana sy fakàna an-keriny ny 31 janoary 2024 tokony ho tamin'ny 01 ora maraina teo ho eo, hoy ny zandarimariam-pirenena. Voalaza fa tsy azo sambo-belona izy ireo noho ny famaliany sy fifanandrinany tamin'ny zandary satria dia nanana fitaovam-piadiana mahery vaika nampiasaina tamin'izany izy ireto, toy ny basy kalachnikov 01 sy PA (Pistolet Automatique calibre 7,65mm) miisa 02. Nialoha io, ny 29 janoary tamin’ny 8ora alina ihany koa, teny Soanarivo Kaominina Fieferana Distrikan’Antananarivo Avaradrano ihany, dia misy jiolahy miisa 03 nivonona hanafika ihany koa lavo taorian’ny fifandonana. Tsy nanaiky ho samborina mora ary nifamaly tifitra tamin'ireo zandary izay efa nivonona ka nanodidina ireo jiolahy, hoy ny tatitra. Nitady lalana hitsoahana ry zalahy. Vao naheno ny fanafihana anefa ny zandary rehetra manodidina ilay toerana di samy nanidy ny kizo avokoa, ary niandry, hoy ny tatitra. Nandrindra ny paik'ady teny ankianja mihitsy ireo manamboninahitra roalahy, ny kapiteny sy lietna, lefitry ny komandin'ny Vondron-tobim-paritry ny zandarimaria Antananarivo Renivohitra. irotsaka antsehatra ny Komandin'ny tobim-paritra Ambohimangakely sy Ambohimalaza ary CP Soamanandrariny. Amin'ny 01 maraina: handalo Ambohibary/Fkt Tsarahasina/Ambohimangakely ry zalahy. Faly mikoràna fa nahavoa. Hiakatra an'i Tsitiamainty hahazo ny làlana hivoaka Mahazo. Toerana malaza ratsy ho fitsoahan'ireo jiolahy avy nanafika. Nitifitra ireo jiolahy miisa 7. Namaly ny zandary. Lavo naratra ny telolahy ka nitsoaka ny ambiny ; maty soa aman-tsara moa izy telolahy tsy fantatra anarana na dia nakàna « ambulance » ihany aza, hoy ny zandary. Basimborona Calibre 12 sy bala 4 tsy mbola nipoaka ; bala efa avy nipoaka maromaro ; sabatra sy antsilava ary pince coupante no tavela niaraka tamin’izy ireo. Jiolahy nampihorohoro ny Kaominina Manjakandriana, Carion, Fieferana, Ambohimalaza, Ambohimangakely, Ankadikely sy Ilafy ireto voasakana ireto, hoy ny fanamarihana.
Toky R

 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Navotsotry ny zandary ilay Sinoa voalaza fa nitifitra basy nahafaty ilay tovolahy 26 taona zaodahiny teny

Card image cap
14-mai-2024

Vao avy nivoaka ny fonja ny 4 aprily 2024 lasa teo noho ny raharaha fanolanana ny taona 2022 ny lehilahy iray 36

Card image cap
13-mai-2024

Nifanakalo traikefa sy nanamafy ny fahaiza-manao amin'ny fampiasana basy sy tafondro

Card image cap