any amin'ny distrikan'Ankazobe. Fasana iray indray no nisy namaky afak’omaly Alarobia 21 Febroary alina tao amin'ny Fokontany Sadondraza Ambohitriombonana kaominina ambanivohitra Fihaonana. Olona nandeha maraina ho any an-tsaha no nahatsikaritra ilay fasana efa vaky sy ireo razana efa voakirakira ka nampandre avy hatrany ny mponina tao an-tanàna. Ireto farany indray no nampandre ny mpitandro ny filaminana taorian’izany. Razana maherin'ny 21 isa no voakirakira tanteraka vokatr’izany ka taolam-balo maro no lasa. Karan-doha sy razana iray vao nalevina haingana miaraka amin'ny zazakely 02 sisa no tavela tao am-pasana noho izy ireo kely sy ilay voalohany mbola mando angamba. Andrasana araka izany izay mety ho tohin’ity raharaha ity. Tsiahivina moa fa ankoatra an’Ankazobe dia anisan’ny ahitana vaky fasana matetika ihany koa ny ao Mahitsy ao.
Pati
Legende : Ity ilay razana vao nalevina vao haingana tsy nalain’ireo mpamaky fasana !
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,
Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny
Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.