airtel

Fandriampahalemana

05-juin-2026

FIHAONANA ANKAZOBE

Tovovavy 15 taona naolana

Sample post image

sady novonoin'ny sipany

05-juin-2026

Ankizivavy kely vao 15 taona monja no maty nisy nanolana sy norasaina antsy ny tendany tany Fihaonana Ankazobe. Ny Talata 02 Jona teo raha tsiahivina no natoron'ny sakaizany ny manam-pahefana ny nofo mangatsiakan'ity ankizivavy 15 taona ity izay monina ao Andranovelona. Ny Alatsinainy 01 jona teo no niala tao an-trano ilay tovovavy kely ka tsy niverina nody intsony. Nanomboka teo no nampiahiahy ny Ray aman-dreniny ny zava-nitranga ka nampilaza ny zandary any an-toerana izy ireo . Rehefa nanaovana fanadihadiana ny sakaizany dia nanoro avy hatrany ny toerana nisy azy . Nahi¬tana ratra ny vatana mangatsiakan'ilay tovovavy kely rehefa nozahana sady hita norasaina antsy ihany koa teo amin’ny tendany. Nanaovan’ireo nahavanon-doza ny filan-dratsiny koa ilay lasibatra hoy ny mpitsabo nijery ny razana . Nanoro ny namany roa hafa niara nanao ity asa ratsy ity taminy moa ilay sakaizan'io tovovavy kely io, izay samy voasambotra amin'izao fotoana . Manantena ny fahendren'ny fitsarana ny fianakavian'ny maty. Efa voalevina ny razana.
Nangonin'i Pati
Légende : Ity ilay tovovavy kely lasibatra efa namoy ny ainy !
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

ho mpandray ny fanasan'i Tompo

Card image cap
04-juin-2026

Efa ho 80 ny tranga, 30 mahery maty tamin’ny fomba feno habibiana

Card image cap
04-juin-2026

Paikady hataon'ny sasany tsy hahamari-toerana ny fanjakana io

Card image cap