airtel

Fandriampahalemana

23-janv-2024

FIKAMBANAN-JIOLAHY HOBO AO TOAMASINA

Tratra ireo 2 lahy mpanao herisetra sy mpampihorohoro

Sample post image

Fikambanan-jiolahy tena malaza ratsy sy mpampihorohoro ny mponina ao Toamasina ao,

23-janv-2024

indrindra fa ny eo Ambolomadinika Toamasina ny HOBO. Betsaka ireo fitarainana efa voarain’ny mpitandro ny filaminana mikasika azy ity izay marihina fa manendaka olona no sady mamono mandratra mihitsy. Lehilahy miisa roa 28taona sy 30taona araka izany no vosambotry ny Polisy miasa ao Toamasina ny Alahady 21 Janoary nifoha omaly Alatsinainy 22 janoary teny akaikin'ny stadium Mangarano. Raha araka ny fantatra moa dia efa narahin’ny polisy maso izy ireo ary nifandrihina avy eo ka tsy sarotra ny nisambotra azy. Noentina avy hatrany teny amin'ny Biraon'ny Polisy izy roalahy nanaovana fanadihadiana ka ny SUT Toamasina no mandray an-tanana izany.
Pati
Legende : Banga roa ireo ati-doha ao anatin’ny fikambanan-jiolahy HOBO !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap