airtel

Fandriampahalemana

05-août-2026

FIKOTREHANA FANAFIHANA

SY VONO OLONA

Sample post image

Olona 7 voasambotra teny Avaradrano

05-août-2026

Olona miisa fito no nosamborin'ny Polisim-pirenena avy ao amin'ny Kaomisaria Foibe Avaradrano, ny 02 Aogositra teo, taorian'ny fampitam-baovao momba ny fisian'olona mampiahiahy nanara-maso sy naka sary ny fivezivezen'olona iray sy ny fianakaviany tao Soavinimerina. Taorian'ny antso fampandrenesana dia nidina avy hatrany teny an-toerana ny Polisy, ka nanao fanarahan-dia sy fikarohana nahafahana nisambotra ireo olona enina voalohany. Hita niaraka tamin'izy ireo ny fiara iray sy moto roa izay voalaza fa nampiasaina nandritra ny fanaraha-maso nataon’izy ireo tamin’ilay lasibatra. Nohamafisina ny fanadihadiana ka voasambotra ihany koa tatỳ aoriana ilay vehivavy voalaza ho mpaniraka. Araka ny fanadihadiana natao dia nambaran'ireo voasambotra fa nokaramaina hanara-maso ny fiainan'ilay lasibatra sy ny fianakaviany izy ireo ary manao tatitra amin'ny an-tsipirihiny momba izany any amin’ilay Ramatoa mpaniraka. Mbola mitohy ny fanadihadiana hataon'ny Polisim-pirenena mba hamantarana ny antony sy ny tambajotra rehetra mety voakasik'ity raharaha ity hahafahana mandray ny fepetra rehetra araka ny lalàna.
Nangonin'i Pati
Légende : Ireo olona tratra !
 

Dans la même rubrique

07-août-2026

Taorian'ireo 16 tany Toliara izay

Card image cap
07-août-2026

an’ny andrimasom-pokonolona

Card image cap
07-août-2026

Jiolahy miisa 4 mandeha moto no nanafika

Card image cap