airtel

Fandriampahalemana

11-mars-2024

Fisandohana sy fisolokiana avo lenta

Mpisandoka ho manamboninahitra voasambotra

Sample post image

Lehilahy iray 42 taona efa nigadra in-droa miantaona ny 2020 sy 2021 noho

11-mars-2024

ny fisandohana asa sy andraikitra ary fisolokiana no voasambotry ny zandary avy amin’ny Brigadin’Ambohimalaza niaraka tamin’ny sakaizany. Nisandoka ho manamboninahitra izy io, ka teo am-panatanterahana ny asa fisolokiana tao anaty toeram-pisotroana izy ireo no voasambotra ny faran’ny herinandro teo. Olona niharan’ny fisolokiana nataon’izy ireo no nametraka taratasy fitoriana tany amin’ny zandary, ka nahatonga ny vela-pandrika. Voalaza fa milaza ho mahatafiditra olona hiasa ao amin’ny Primatiora na sivily na miaramila ny tenany. Nilaza ihany koa ho mahavita mampiditra ho miaramila raikitra ho an’ireo tafika nahavita fanompoam-pirenena. Milaza ihany koa ho mahatafiditra mpamily sy mpitatam-bola eo anivon’ny tafika ihany koa izy ireo. Raha ny tatitra hatrany, dia maro ireo efa voasoloky satria ralehilahy iray dia manao fanamiana manamboninahitra foana, ary ravehivavy indray dia manao fanamiana an’ny tafika fanaovana fanatanjahantena entina handresen-dahatra ireo olona kendrena, hoy ny tatitra. Teo amin’ny 2 tapitrisa Ar ny vola azony tamin’ny fisandoana nataony, hoy ny tatitra.
Toky R

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nahitam- bokatra ny ady amin'ny asan-jiolahy hataon'ny Polisim-pirenena .

Card image cap
24-juil-2024

Volabe mitentina 3.800.000 Ariary no lasan’ny tovolahy iray 19 taona izay mpiasa an-trano,

Card image cap
24-juil-2024

Lehilahy iray nambaran’ny havany fa handeha haka fanafody tany amin’ny toeram-pitsaboana

Card image cap