airtel

Fandriampahalemana

31-juil-2023

Fandriampahalemana

Fisavana ireo mivezivezy alina eto Iarivo

Sample post image

Nahatratra 66 ireo tsy nitondra karapanondro

31-juil-2023

Tokony hitondra karapanondro hatrany ny olom-pirenena iray rehefa mivoaka ny trano. Antontan-taratasy hahafahana manavaka ny olon-tsotra sy ny olon-dratsy mantsy izy ireo no sady hahafahana mamantatra ny momba ny olona iray ihany koa raha misy trangan-javatra miseho. Vao tamin’ny faran’ny herinandro teo ohatra dia olona miisa 66 be izao no tratra nivezivezy tamin’ny alina teto an-drenivohitra tsy nitondra kara-panondro. Misy vehivavy izy ireo saingy lehilahy ny ankamaroany. Ireo lehibe isan-tsokajiny eo anivon'ny Polisim-pirenena no nitarika ireo Polisy nanao ny fisafoana tamin’izany. Izany no natao moa dia ho fiarovana ireo olona amin'ny trangana tsy fandriampahalemana mety hiseho eny anivon'ny fiaraha-monina. Mirongatra sy mahazo vahana rahateo ny vono olona sy ny hala-botry eto amintsika indrindra fa ny fanendahana. Notazonina ary natoro ny tokony hataony moa izy 66 mianadahy ireo tsy hiverenan’ny tranga tahaka izao intsony.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fisafoana nataon’ny mpitandro ny filaminana teto an-drenivohitra !

 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,

Card image cap
21-mai-2025

Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny

Card image cap
21-mai-2025

Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.

Card image cap