airtel

Fandriampahalemana

24-janv-2024

Fisolokiana avo lenta

2 vavy tsara tarehy naka 8 hetsy tamin’ny cash point

Sample post image

Vehivavy tsara tarehy no tratra nisoloky 800.000 Ariary tamina Cash Point

24-janv-2024

tetsy Antaninarenina omaly. Nanantona mpanao Cash Point iray izy ireo ka niresaka sy nilaza fa mahita asa aao anatin’ny tambajotra facebook, ary hampidirana hatramin'ny 50.000 Ariary isan'andro, hoy ny fitantarana. Ny hany atao, hoy ny fanazavan'izy roa vavy, dia mandefa vola 200.000Ar any amin'ny sefom-pokontany maromaro kanefa tsy hay hoe aiza ? Vola izay voalazan'ireto vehivavy ireto fa efa ao anaty ny kaontin'izy ireo ka alefa miaraka any amin'ilay cash point, saingy rehefa voalefa daholo ny an'ireo sefo fokontany vao omena ny fitambaram-be. Rehefa natomboka ary ny asa; nahalefa 200.000 Ariary in-4 ilay cash point vao nitaky ny vola tamin'ireo tovovavy. Nojereny ihany koa, tsy nisy vola nalefan'ireo voalaza ho nanakarama azy akory fa « message » tsotra no tao anatin'ny finday. Noetina any amin'ny biraon'ny polisy izy roa vavy ho fanohizana ny fanadihadiana. Samia mailo fa tsy kely làlana ny ratsy.
Toky R
Sary indrana

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap