airtel

Fandriampahalemana

31-janv-2025

FITAZOMANA BASY TSY ARA-DALANA

Lehilahy iray no nosamborina tao Antalaha

Sample post image

Lehilahy iray 51 taona no fantatra fa nosamborin’ny Polisy tao Antalaha noho ny fitazonana basy tsy ara-dalàna.

31-janv-2025

Ny 29 janoary lasa teo no nahazo loharanom-baovao ny Polisin'ny FIP Sava, mahakasika ity lehilahy mitazona basy tsy ara-dalàna tany Antalaha ity.Nidina ifotony ny Polisy nanamarina izany. Rehefa nosavaina tokoa ny anaolahy dia tratra teny aminy ny basy poleta vita gasy, tsy misy marika. Nentina natao famotorana tao amin’ny biraon’ny Polisy izy noho izany mialohan’ny hanolorana azy any amin’ny fitsarana anio zoma 31 Janoary. Marihina fa tsy olon-drehetra no afaka mitazona basy. Ilana taratasy fahazoan-dalana ny fitazomana azy ireny mba hiavahan’ny vary amin’ny tsiparifary.
Pati
Legende : Ity ilay lehilahy nitazona basy tsy ara-dalana !
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,

Card image cap
21-mai-2025

Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny

Card image cap
21-mai-2025

Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.

Card image cap