airtel

Fandriampahalemana

02-oct-2026

Fitrandrahana

volamena tsy

Sample post image

ara-dalàna, fihantsiana

02-oct-2026

Nidoboka am-ponja i Ninah depiote TGV teo aloha
Nidoboka am-ponja vonjimaika ao Maevatanana Rahantanirina Lalao na «Depiote Nina », solombavambahoakan’i Mahajanga I teo aloha, Sekretera nasionalin’ny TGV ho an’ny Faritanin’i Mahajanga. Ity farany izay raha tsiahivina dia anisan’ireo depiote 5 niongana ny fiandohan’ny taona 2026. Voatazona miaraka aminy ihany koa ny zanany, raha ny vaovao azo omaly maraina. Ny 19 oktobra izao no hanatanterahana ny fitsarana azy... Raharaha fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna no voalaza fa antony, izay marihina fa nisy ny video naneho fifamaliana teo amin’ity depiote ity sy ny miaramila Kolonely Botosambatra izay voalaza fa avy amin’ny Fiadidian’ny Repoblika tao amin’ny kariera iray tao Maevatanana, andro vitsy lasa izay. Nisy ny fifamaliana, ka nalefan’i Nina sy ny ekipany nivantana na « direct » tamin’ny facebook ny fifandirana tao amin’ny kariera, nanehoany fa manana ny marina izy ireo, nohizingizinina fa karieran’i Nina ara-dalàna ilay toerana, nambara fa mitaky vola ny andaniny,… Voalaza andaniny fa efa tamin’ny volana mey 2026 no natsahatra ny fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna izay nataon’i Nina, ka hanao fanidiana na « scellage » no anton-dian’ny ankilany. Voalaza ihany koa fa efa nisy sazy, saingy tsy noraharahiana izany ka mbola nitohy ihany ny fitrandrahana tsy ara-dalàna. Tao anatin’ilay horonantsary sy ny serasera naparitaky ny andaniny kosa, dia nilaza fa mitaky 30% amin’izy ireo ilay miaramila sy ny iraka tarihiny, ary voatonontonona ho ambadik’ity ireo ny depiote sady Filoha lefitry ny Antenimierampirenena Afakandro Christian. Mbola tsy nandrenesana setriny kosa ireo voatonontonona. Ankoatra ny fitabataban’i Nina tany amin’ny tambajotran-tserasera hoe : izaho dia forongony 100%, ary tsy mivadika hatramin'ny farany, tsy mivadika amin’i Andry Rajoelina,… dia nisy ny fihantsiana nataony tamin’ny hoe : sambory aho, dia rehefa any am-ponja indray mitady finday hampiasaina, izay nanivahivany ihany koa ny Fitondrana Fanavaozana. Nanao vava be toa naneho fahatokisan-tena, kinanjo voasambotra sy nidoboka am-ponja vonjimaika. Asa mety tafiditra ihany koa amin’ny karazana fihantsiana politika ve mba hanehoana fa misy teritery sy fanenjehana ireo mpomba an’i Andry Rajoelina amin’izao firosoana amin’ny dingan’ny fikaonandoham-pirenena izao ? Moa tsy taratry ny fanaovan’ny mpanao politika tantely afa-drakotra ny harem-pirenena ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

01-oct-2026

iray maty voatifitra…

Card image cap
01-oct-2026

Mitaky fahitsina sy fifehezan-tena ny fanajana lalàna

Card image cap
01-oct-2026

Olana ara-piarahamonina mila

Card image cap