airtel

Fandriampahalemana

01-mars-2024

Foloalindahy Malagasy

Voatendry ny CEMA sy ny COMGN

Sample post image

Voatendry nandritra ny filankevitry ny Minisitra ny alin’ny alarobia 28 febroary 2023 lasa teo ireo

01-mars-2024

Tompon’andraikitra ambony mirahalahy, hitana ny fibaikoana ny tafika sy ny zandarimariam-pirenena. Voatendry ho Lehiben'ny Etamazaoron'ireo Tafika na Chef d'Etat-Major des Armées (CEMA) ny Général de Division DERAMASINJAKA Manantsoa Rakotoarivelo, ary ho Kaomandin'ny Zandarimariam-pirenena (COMGN) ny Général de Division Rakotomalala Andriatahina Jean Herbert, araka io Didim-panjakana noraisina nandritry ny Filan-kevitry ny Minisitra ny 28 febroary 2024 io. Tsara ny manamarika, fa banga tao anatin’ny fotoana naharitra ireo toerana ireo taorian’ny nanendrena ireo teo aloha ho mpikamban’ny governemanta ny 14 janoary 2024, izany hoe : iray volana sy tapany aty aoriana vao tafapetraka ny solony. Henjana ny adidy miandry ireo tompon’andraikitra ireo amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, ka ny irariana dia ny hisian’ny vokatra ao anatin’izany satria tena mandry an-driran’antsy ny Malagasy na ho an’ny tontolo ambanivohitra na an-drenivohitra. Zary lasa fanamarihana sy tsikera mandeha foana rahateo ny hoe : tsy arakaraky ny maha betsaka ny jeneraly ny fihenan’ny tsy fandriampahalemana fa vao mainka mitombo ka mahatonga ny olom-pirenena hilaza fa ny mpanao politika sy ny sezany no tsara aro fa ny valala tsy mandady harona miaina rehefa tsy matin’ny fahantrana, dia matin’ny tsy fandriampahalemana.
Toky R
Sary indrana

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap