airtel

Fandriampahalemana

05-juin-2026

Fonjabe Antanimora

Voafonja 32 lahy natokana

Sample post image

ho mpandray ny fanasan'i Tompo

05-juin-2026

Toeram-panarenana ny fonja ary koa fanomanana ireo voafonja hiverina eny anivon'ny fiaraha-monina. Misy ny fitaizam-panahy, ny fijerena ny sosialy sy ny maha olona manontolo. Porofon'izany ny fisian'ny fanaovana batisa sy fanokanana ho mpandray ny fanasan'i Tompo tao amin'ny Fonjabe Antanimora ny marainan'ny sabotsy 30 May 2026. Voafonja 32 lahy no natokana ho mpandray tamin'io, notarihin'i Pasitera Razafindramanitra Nestor, Talen'ny Aumônerie Nasionaly FJKM eny amin'ny Fonja ary teo anatrehan'ny sontenan'ny minisiteran'ny Fitsarana sy ireo tompon'andraikitra isan'ambaratonga eo anivon'ny fandraharahana ny fonja. Voafonja maromaro no nianatra katekomena eo anivon'ny FJKM tao Antanimora. Naharitra herintaona teo ny fianarana. Ny Sinaodam-paritany Antananarivo Atsinanana no nisahana ny fanofanana. Afaka fanadinana izy 32 ireo. Sady natao batisa no natokana ho Mpandray ny sasany. Misy in-droa isan-taona ny fanokanana toy izao, satria misy hatrany ireo manolo-tena noho ny asan'ny Fanahy Masina, ka amin'ny volana septambra indray ny andiany manaraka, ary ny Sinaodam-paritany Antananarivo Andrefana no manofana. Ny Aumônerie no mikarakara ny ara-panahy, ny fikarakarana manontolo ny fanokanana. Nomena fitafiana sy kiraro vaovao tsirairay avy izy 32 lahy, nandraisan'izy ireo ny fahasoavana.
Jean D.
Ampahany tamin'ireo voafonja natokana ho mpandray fanasan'i Tompo tao Antanimora
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

sady novonoin'ny sipany

Card image cap
04-juin-2026

Efa ho 80 ny tranga, 30 mahery maty tamin’ny fomba feno habibiana

Card image cap
04-juin-2026

Paikady hataon'ny sasany tsy hahamari-toerana ny fanjakana io

Card image cap