mba hahavelon-tena sy tsy ho vesatra ho an’ny fiaraha-monina rehefa tafaverina soa aman-tsara eny anivon’ny fiaraha-monina. Notoloran'ny Mpitahiry Fitombokaseam-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana fitaovana ho entina mianatra asan-tanana ireo voafonja vehivavy ao amin'ny Fonjaben'Antanimora omaly Talata 20 Febroary. Fitaovana fanaovam-bolo toy ny brushings,brosses,produits... no natolony tamin’izany niampy lafaoro ary masinina fanjairana. Ao anatin'ny vaindohan-draharahan'ny Minisiteran'ny Fitsarana ny fanomanana ny fiverenan'ny voafonja ho tonga olom-banona eo anivon’ny fiaraha-monina. Nandritra ny lahateniny dia nanamafy ny Ministra fa tsy fanafaizana fotsiny ihany ny fonja fa natao indrindra ihany koa hampianatra sy hanarina ireo voafonja mba tsy ho vesatra eo anivon'ny fiaraha-monina (réinsertion sociale). Rehefa tapitra moa ny fiofanana dia hahazo mari-pahaizana na "Attestation de réussite" izay rehetra mahavita ny fiofanana.
Pati
Legende : Hofanina tahaka izao ireo voafonja !
Tratra teny Andravoahangy omaly Alakamisy 13 Febroary vao maraimbe ireo roalahy
Nandao ny tany afak’omaly Talata 11 Febroary alina i Tafitabe ilay jiolahy mpampihorohoro ny
Lehilahy iray no tratran'ny Polisim-pirenena avy ao amin'ny Kaomisarian'ny Boriborintany faha 6