Tazonina ao amin’ny toerana tokony hametrahana azy ihany izy ireo raha araka ny fanazavan-dRandriamanantenasoa Landy, Minisitry ny Fitsarana sady mpitahiry ny fitombokasem-panjakana tamin’ny mpanao gazety omaly. Efa misy raha araka ny fanazavany ireo mpiara-miombon’antoka mifanome tanana amin’ny ministera manamboatra izany tamboho izany. Efa diso antitra loatra mantsy ireo foto-drafitrasa ao amin’ity fonja ity ka anisan’ireny ilay tamboho nianjera. Nandray ny ambasadaoro Soisa miasa sy monina eto amintsika ity ministra ity omaly. Niompana tanteraka tamin’ny fanatsarana ny tontolon’ny fitsarana ny resaka nifanaovan’ny roa tonta tamin’izany ka anisan’ireny ny fanomezana fiofanana ny mpitsara izay efa manomboka, ny fanatsarana ny zon’ny ankizy, ary koa ny famaliana ny hetahetan’ireo voafonja. Tsiahivina moa fa 40 metatra no refin’io tamboho miaro ny fonjan’i Toliara nianjera io raha mbola misy 30 metatra ireo ahiana hirodana.
Nangonin’i Pati
Legende : Ambenana mafy ny fonjaben’i Toliara
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,
Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny
Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.