airtel

Fandriampahalemana

06-oct-2026

FOROCHE

TAO AMBANJA

Sample post image

Am-polony niova fo, nametraka ny basiny

06-oct-2026

Nametraka ny fitaovam-piadiana sy fitaovana fampiasa entina mampihorohoro sy handrobana ary hanaovana asan-jiolahy ireo tovolahy sy vavy fantatra amin'ny anarana hoe : foroche tao Ambanja. Noho ny hetsika fanentanana, fampianarana sy fananarana ary fampihavanana izay natao hampivondronana indray ireo tanora ao anatin'ny fokontany rehetra mandrafitra ny Kaominina ambonivohitr'Ambanja no nahazoana ny vokatra. Napetrak’izy ireo tamin'ny tany noho izany ireo fitaovana. Naterina tao amin'ny tobin'ny zandarimaria ihany koa ny Coupe-coupe, trois canal, mesobe, goro, flesy, lamberaka ary sabôha isan-karazany. Natao ny fampihavanana sy ny famelan-keloka taorian’izany ka vonona ny hampitsahatra ireo herisetra ny tanora.Tonga nanatrika izany ireo olobe tao an-tànana nahitana ny ampanjaka TSIARASO IV, ny Solombavam-bahoakan'i Madagasikara voafidy tao Ambanja, ny Lehiben'ny Distrika Ambanja....Nofaranana tamin’ny fanolorana baolina kitra ho an’ireo ankizy tanora ny hetsika ho mariky ny fampiraisana.
Nangonin’i Pati
Legende : Nametraka ny fitaovana nampiasainy tahaka izao ireo andian-jatovo mpanao herisetra !
 

Dans la même rubrique

06-oct-2026

Manamafy ny fifehezana

Card image cap
06-oct-2026

eo am-pandohalihana no nisy tifitra variraraka ! »

Card image cap
06-oct-2026

Nidina ifotony teny Namontana ny

Card image cap
06-oct-2026

Efa voasoroka, hoy ny lehiben’ny distrika

Card image cap
06-oct-2026

3 lahy vao avy nigadra anisan’ny voasambotra indray

Card image cap
05-oct-2026

hanaiky ny fianankaviana…

Card image cap