airtel

Fandriampahalemana

29-août-2022

Fandriampahalemana

Gadra nitsoaka Ombay mitady i Razafindratovo Mamy Berthin

Sample post image

Namoaka filazana fikarohana ny zandarimaria ao Ankazobe ny sabotsy teo fa nitsoaka tao amin’ny fonja niazonana azy ao Ankazobe ny gadra antsoina hoe Razafindratovo Mamy Berthin.

29-août-2022

Mpandraharaha ara-toekarena ny lehilahy. 42 taona ary mirefy 1,59 metatra. Teny Ambohibao no fantatra fa nonenany farany nialohan’ny namonjana azy. Ahitana tombokavatsana voromahery ny sandriny havia ka izay manam-baovao momba azy na mahita azy dia antsoina mba hanatona ny biraon’ny polisim-pirenena akaiky azy na koa biraona zandarimariam-pirenena, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray. Azo atao koa ny miantso ny laharam-pinday 0340557281 raha mila fanazavana fanampiny. Isan’ny mampametra-panontaniana moa ny hoe miisa 3 izay ny fonja nahitana gadra nitsoaka tato ho ato? Inona no tsy mazava ao amin’ny fonja ao ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nahitam- bokatra ny ady amin'ny asan-jiolahy hataon'ny Polisim-pirenena .

Card image cap
24-juil-2024

Volabe mitentina 3.800.000 Ariary no lasan’ny tovolahy iray 19 taona izay mpiasa an-trano,

Card image cap
24-juil-2024

Lehilahy iray nambaran’ny havany fa handeha haka fanafody tany amin’ny toeram-pitsaboana

Card image cap