airtel

Fandriampahalemana

16-janv-2024

Fandriampahalemana

Halatra «batterie » amin’ny andrin-jiro 2 lahy tratra teny 67 ha

Sample post image

Lehilahy roa omaly no tratra nangalatra vato aratry ny andrin-jiro mandeha

16-janv-2024

amin'ny herin'ny masoandro teny Andohatapenaka. Raha araka ny fantatra dia polisy miasa eny 67ha nanao fisafoana toy ny mahazatra teny amin'iny faritra Andohatapenaka iny no nahatsikaritra azy ireo. Tsy taitra mihitsy izy roalahy ireo nangady ny fototry ny andrin-jiro mandeha amin'ny herin'ny masoandro teny an-toerana tokony ho tamin'ny 05ora30. Vao nanatona azy ireo ny Polisy dia avy hatrany dia nandositra niaraka tamin'ny batterie solaire miisa roa izy ireo saingy tsy tafatsoaka lavitra dia tratra. Noentina niazo ny biraon'ny Polisy teny 67ha ireto jiolahy roa mba ho atao famotorana. Mitohy kosa ny fikarohana ireo olona naniraka azy roalahy ireto sy ireo mpandray ny fitaovana halatra.
Pati
Legende : Ireo izy roalahy tratra !
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Navotsotry ny zandary ilay Sinoa voalaza fa nitifitra basy nahafaty ilay tovolahy 26 taona zaodahiny teny

Card image cap
14-mai-2024

Vao avy nivoaka ny fonja ny 4 aprily 2024 lasa teo noho ny raharaha fanolanana ny taona 2022 ny lehilahy iray 36

Card image cap
13-mai-2024

Nifanakalo traikefa sy nanamafy ny fahaiza-manao amin'ny fampiasana basy sy tafondro

Card image cap