ilay fiara fitateram-bahoaka nitondra entana halatra ny alin'ny 17 aprily teo. Rehefa nanontaniana ny mpamily dia nilaza fa fanaka ilay nofonosina ambonin'ny fiara. Nohamarinina anefa Izany dia ''panneaux solaires '' fa tsy fanaka velively, hoy ny tatitry ny zandarimarimariam-pirenena eo anivon’ny Kaompania Ambohidratrimo omaly alatsinainy. Rehefa nohalalinina ny fanadihadiana dia fantatra fa fitaovana an'ny orinasam-pifandraisan-davitra iray izany izay saika hapetraka amina pylône eny amin'ny manodidina an'i Mahitsy, hoy hatrany ny tatitra. Efadahy hatreto no voatazona amin'ity raharaha ity, ary mbola mihalalina ny fanadihadiana. Marihina fa sazy mafy ny mividy sy mampiasa entana halatra ary torak'izany koa ny mangalatra, hoy hatrany ny zandarimaria nampahatsiahy.
Nangonin’I Toky R
Tokony hatao ohatra ny fitandroana ny filaminana mandritra ny Fetin’ny Paska amin’ny faran’ny