teto amin’ny distrikan’Ambohidratrimo ny 7 febroary, nanodidina ny tamin’ny 12ora antoandro, hoy ny fampitam-baovaon’izy ireo omaly. Teny amina tobin-tsolika tao Ivato ity fiara ity no niantsona ary tamin’ny 10 ora no hita farany, hoy ny fanazavana, no izao very izao araka ny fitarainan’ny tompony. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireo zandary ary nametraka ireo paikady rehetra. Vokany, voahodidina tao amina toerana iray ao amin’ny kaominina Ampanotokana, distrikan’Ambohidratrimo ireo mpangalatra niaraka tamin’ity fiara ity. Mahin-dratsy izy 3 lahy ka mbola nokasaina hafenina ao amina trano misy tamboho indray ilay fiara saingy efa tsy afaka nitsoaka intsony ka noraisim-potsiny. Nosamborina ireto mpangalatra. Naverina amin’ny tompony ny fiara taorian’ny fanamarinana rehetra ary mitohy ny fanadihadiana. Olona miisa 5 hatreto no voasaringotra amin’ity raharaha ity, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
Basy vita gasy iray niampy bala miisa 4 calibre 12, no sarona tao anaty kitapo natsipina lehilahy miisa 3 nitsoaka
Nahatrarana rongony 375 fototra sy raviny efa maina afak’omaly Alarobia 05 Febroary tamin’ny 08 ora
Velon-taraina ny mponina eny amin’ny fokontanin’Ambatobe manoloana ny vaky trano na hala-boty