rehefa tratra ambodiomby nangalatra ireny jiro mirehidrehitra natao handravaka ny lalana ireny afak’omaly 02 janoary. Toy ny mahazatra, manohy sy manamafy ary manatanteraka ireo asa fanaony andavanandro ny Polisim-pirenena. Tamin’io andro voalaza io tokony ho tamin'ny 10 ora alina teny amin’ny faritra ANS Ampefiloha, manoloana M Hôtel raha tsiahivina dia nahatsikaritra lehilahy miisa roa teo amin’ny andrin - jiro iray lehibe izy ireo. Rehefa nojerena sy narahana maso moa ireto farany dia hita fa nanala sy nanongotra ireny jiro mirehidrehitra napetraka teny amin’ny lalana. Niroso tamin’ny fisamborana avy hatrany moa ny mpitandro ny filaminana raha vao nahita io tranga io. Tsy afa - nihetsika ireto olon-dratsy ireto ka avy hatrany dia noraisim-potsiny . Noentina eny amin'ny Kaomisarian’ny boriborintany faha efatra izy ireo nanaovana fanadihadiana raha anio Alakamisy kosa no hiakatra fitsarana ny raharaha.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy sy ilay toerana nakany ireo jiro mirehidrehitra eny amin’ny lalana !
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,
Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny
Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.