airtel

Fandriampahalemana

05-août-2026

Halatra maso varira

"Tsy misy famindram-

Sample post image

po !", hoy i Keron Idealson

05-août-2026

Maro ny fanehoan-kevitry ny olom-pirenena manoloana ilay tranga halatra voamason'ny zaza varira menavava iray tany Betroka, ka nisamborana olona miisa 15 sy zandary iray. "Rehefa tena voamarina tsara fa nangalatra voamaso ireo voarohirohy dia tonga dia ataovy toy ny hady vomangan’i kirijavola avy dia potsirina koa ny voamasony", hoy i Keron Idealson. Nampiany fa "matoa izy io tsy mety fongotra dia heverin’izy ireo fa maivana ny sazy mahazo ireo mpanao azy". Niparitaka tamin'ny tambazotra sosialy Facebook hatry ny omaly moa ny sarin'ireo voarohirohy tamin'ity raharaha ity narahina horonantsary maneho sy itantaran'izy ireo ny antsipirihiny nanomboka tamin'ny fitadiavana varira, fakana an-keriny, fitazomana, fakana voamaso... taorian'ny nivoahany tao amin'ny pejy ofisiali 'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika. Nanoloana izany dia tao ireo nilaza fa tany tan-dalàna i Madagasikara ka tokony misy hatrany ny fiheverana ny olona iray ahiahiana ho nanao heloka bevava ho tsy manan-tsiny, mandra-pahatongan'ny Fitsarana hanaporofo sy hanambara mazava tsara fa meloka izy. Heverina fa setrin'izany no nilazan'i Keron Idealson tamin'ny teny mahitsy tao amin'ny pejiny nilaza fa "tsy misy famindram-po na fanajana ny zon'olombelona" mendrika azy ireny. "Hevitro manokana" izany hoy izy. Marihina fa Mpitsara i Idealson. Efa Talen'ny fandalinana ara-pitsarana teo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika tamin'ny fitondran'i Hery Rajaonarimampianina izy. Efa solombavambahoaka voafidy tao amin'ny Distrika Ampanihy Andrefana. Tale jeneralin'ny orinasam-panjakana KRAomita MAlagasy na KRAOMA izy ankehitriny.
Jean D.
 

Dans la même rubrique

07-août-2026

Taorian'ireo 16 tany Toliara izay

Card image cap
07-août-2026

an’ny andrimasom-pokonolona

Card image cap
07-août-2026

Jiolahy miisa 4 mandeha moto no nanafika

Card image cap