Nahazo antso avy amin’ny tompontrano ny Polisy miasa amin'ny CSP 5 etsy Mahamasina raha tsiahivina nilaza fa misy olona tsy fantatra tafiditra ao an-tokantranony. Tsy niandry ela ireo mpitandro ny filaminana noho izany fa nandeha teny amin'ilay toerana voalaza nijery ny zava-nisy ka tratra ambodiomby teo am-pangalarana ilay panneaux solaires sy ny fitaovana kojakoja fampiasa ao an-dakozia ity lehilahy ity. Noentina avy hatrany eny amin'ny biraon'ny Polisy ilay jiolahy taorian’izany. Fantatra nandritra izany fa nihanika tamboho ny tenany. Rehefa hitany fa tsy nisy olona nivezivezy dia nopitsohany ny varavarana miditra ao amin'ny lakozia izay nifanandrify taminy ary nanararaotra naka sy nangalatra ny zavatra hitan’ny masony tao izy. Nahatsikaritra feo hafahafa ny tompon-trano ka niantso Polisy avy hatrany.
Pati
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,
Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny
Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.