tena misy tambajotra goavana eto
Raharaha mafana mitana ny sain'ny maro ny mikasika ilay vehivavy antsoina hoe Tianahantsoa Ratsimandresy na Tinah, izay voarohirohy amin'ny afera fanodinkodinana sy fivarotana fananan'olona, ankoatra ny tsy fandoavana hofan-tranon'olona. I Tinah izay efa notaterina teto omaly, fa nikasa hitsoaka any an-dafy, nanaovana vela-pandrika, raha saika haka ny zanany teny Analamahitsy akaikin'ny Coliseum, saingy tafatsoaka. Efa nifanenjehan'ny polisy ny fiara nentiny, efa voadona, ka navelany teo Analamahitsy akaikin'ny fanasan-damba ary nitsoaka tany anelakelan-trano izy. Tahaka ny hoe miaina anaty horonantsary. Ny vadiny kosa efa voasambotra. Raha hiverenana, manao fanofanana fiara tsy misy mpamily na "location sans chauffeur" ry zareo, ovainy ny laharan'ny fiara avy eo dia amidiny na ataony an-tobola amin'ny mpampanjana-bola. Miova ho WWT miaraka amin'ny carte rose,... Efa feno laharana fiara maro be ao an-tranony, manofa trano maromaro koa zareo ( Ivandry , Tranotokana Ambohimahintsy),... hoy ny fanamarihana. Mahatratra 7 raha kely ireo fitoriana azy ireo. Namoahan’ny polisim-pirenena didy fisamborana moa i Tinah omaly, ka hotazonina ho tsiambaratelo sy harovana ny mpanome loharanom-baovao, hoy ny fanomezan-tokin’ny mpitandro filaminana.
TAMBAJOTRA GOAVANA
Na izany aza, heverina fa tsy nandeha irery ireto mpivady ireto tamin'ny afera goavana nataony. Tsy vitavita ho azy ny fanovana laharana fa heverina ho misy tambajotra goavana miaraka aminy, toy ny any amin'ny sampan-draharaha mikasika ny fanamboarana taratasina fiara, mety ho mpanao aferana fiara avy eto sy any ivelany, mety misy any amin'ny ladoany,... Efa tena tambajotra goavana ny mpanao aferana fiara sy manodinkodina fananan'olona tahaka izao. Nalaza ny volana desambra 2025 ohatra ny fanjavonana fiarana manodidina ny 40 ana mpandraharaha amin'ny sehatry ny fampanofana fiarakodia maro. Manodidina ny 20 no hita tamin'izany raha manodidina ny 15 no mbola nifampitadiavana tamin'izany. Nisy ny nampiasaina sy efa nisy nivarotra tamin'ny depiote tao Tsimbazaza. Asa izay niafarany fa ny tsy azo lavina dia ny hoe efa avo lenta sy ahiana ho efa tambajotra goavana no ao ambadiky ny afera toy izao.
Toky R