airtel

Fandriampahalemana

06-oct-2026

Halatra taribin’ny

Jirama amin’ny RN1

Sample post image

Efa voasoroka, hoy ny lehiben’ny distrika

06-oct-2026

Toerana nalaza tamin’ny halatra tariby mitondra ny herinaratry ny JIRAMA tato ho ato ny lalam-pirenena voalohany. 300 metatra raha kely no indray very, tranga vao niseho ny faramparan’ny volana Septambra teo. Niezaka nandray ny andraikiny noho izany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ka fantatra fa efa voafehy tanteraka izany ankehitriny. Nambaran-dRakotondriana Tolotriniaina, lehiben’ny distrikan’Arivonimamo fa vokatry ny fiaraha-miasan’ny andrimasom-pokonolona izay vao avy nomena fiofanana sy ny mpitandro ny filaminana no angady nananana sy vy nahitana izany. Ankoatra ny halatra taribin-jiron’ny Jirama dia nambarany ihany koa fa nojerena akaiky ny resaka fitaterana sy ny fivezivezen’ny fiarakodia any amin'ny lalam-pirenena voalohany. Nomena fiofanana avokoa ireo voakasika rehetra toy ny mpampiasa lalana miaraka amin’ny koperativa, ireo mpitatitra, ny mpamily sy ny mpanampy azy...Tanjona hoy ity Lehiben'ny distrika ity ny mba hanajan'ny rehetra ny lalana mifehy ny fifamoivoizana sy hisoroana ary hanenana ny trangana lozam-pifamoivoizana any amin’ny RN1. Roa isan’andro mantsy raha kely ny loza mitranga any amin’iny lalana iny koa rehefa tsy lasibatra ny kodiaran-droa dia mitondra faisana ny fiarakodia.

Pati
Legende : Andro aman’alina tahaka izao ny fiambenana hataon’ny andrimasom-pokonolona sy ny mpitandro ny filaminana ny tariby !
 

Dans la même rubrique

06-oct-2026

Manamafy ny fifehezana

Card image cap
06-oct-2026

eo am-pandohalihana no nisy tifitra variraraka ! »

Card image cap
06-oct-2026

Nidina ifotony teny Namontana ny

Card image cap
06-oct-2026

3 lahy vao avy nigadra anisan’ny voasambotra indray

Card image cap
06-oct-2026

Am-polony niova fo, nametraka ny basiny

Card image cap
05-oct-2026

hanaiky ny fianankaviana…

Card image cap