airtel

Fandriampahalemana

17-janv-2024

Halatra voamaso

100 tapitrisa ka hatramin’ny 120 tapitrisa Ar ny roa

Sample post image

Tena lafo no hividianan’ireo olona mila azy ny voamason’olombelona.

17-janv-2024

Raha araka ny fantatra mantsy dia 100 tapitrisa Ar ka hatramin’ny 120 tapitrisa Ar ny roa miaraka. Fanadihadiana nataon’ireo polisy tao Andohanilakaka nahatratra ireo dimilahy mpangalatra voamaso tany an-toerana izany. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro ny filaminana any an-toerana, raha tsiahivina fa misy olona mitady mpividy voamaso tao amin’ny tanànan’Ana¬la¬mahavelona, kaominina Besa¬koa, distrikan’i Sakaraha, ny herinandro lasa teo. Nandeha ny fikarohana ireo manana voamaso hamidy araka izany ka tratra izy dimy mirahalahy ireto ary mbola hita teny aminy ny voamaso miisa roa niampy zava-maranitra. Olona tsara sitrapo no nahitana ny toerana nieren’izy ireo izay marihina fa karazan’olona tsy an’asa ny ankamaroany no sady mamelom-bady aman-janaka avokoa. Tsiahivina moa fa hampitomboan’olona iray ny hery manokana hananany na havadiny hatao ody gasy ny voamason’olona vidiny, raha araka ny fantatra hatrany.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy dimy mirahalahy mpangalatra voamason’olona tratra !
 

Dans la même rubrique

29-avril-2025

Vaky trano teny Ivandry, vaky trano tetsy Tsiadana Lehilahy iray 33 taona

Card image cap
29-avril-2025

Ao anatin'ny fanadihadiana ny polisim-pirenena na borigady misahana

Card image cap
29-avril-2025

Tena efa mivadika ho biby ny olombelona ankehitriny.

Card image cap