airtel

Fandriampahalemana

07-déc-2022

Fandriampahalemana

Halatra voamaso sesilany Roalahy sarona, lehilahy iray jamba tanteraka

Sample post image

Mampivarahontsana ity resaka halatra voamaso ity tato ho ato. Teo aloha raha ny olona varira no tena lasibatra, dia efa tsy mifidy hasiana intsony ireo olon-dratsy,

07-déc-2022

ary tena manjaka io indrindra any amin’ny tapany Atsimon’ny Nosy iny. Olona 2 lahy indray no azo sambo-belona naka ny voamason’ny lehilahy iray tao Behorinkazo, Kaominina Antongo, Distrikan’i Morombe, raha ny vaovao niparitaka nanomboka omaly. Azo sambom-belona izy ireo izay nangalaka ny voamason'ny lehilahy iray tao an-toerana, rehefa nisy ny fidirana an-tsehatry ny miaramilan’ny ZDS izay tarihin'ny Commandant Nambinintsoa, hoy ny fampitam-baovao. Velona soa aman-tsara kosa ilay lehilahy lasibatra, saingy jamba tanteraka tsy misy voamaso noho ity zava-doza nanjo azy ity. Mbola baraingo hatramin’izao ny hampiasana ny voamaso izay mirongatra tanteraka ny asa ratsy mifandraika aminy. Sesilany ny antso avo sy antso vonjy ao amin’ny Distrikan’I Morombe eo anatrehan’io halatra voamaso io, fa eo ihany koa ny fanapahan-doha. Vao tsy ela, fa ny 15 novambra teo ihany koa raha tsiahivina, dia olona miisa 4 no nosamborin'ny zandary tany Vaingaindrano teo am-pitadiavana olona hividy voamaso nahatratra hatrany amin’ny 30 isa izay tratra teny amin’izy ireo. Tena zava-doza mampivarahontsana, ary tsy mbola fahita firy ity asa ratsy mahazo vahana ity, ka hiantsoana fandraisana andraikitra feno, ary miantso ny olom-pirenena ho mailo sy hitandrina ihany koa.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nahitam- bokatra ny ady amin'ny asan-jiolahy hataon'ny Polisim-pirenena .

Card image cap
24-juil-2024

Volabe mitentina 3.800.000 Ariary no lasan’ny tovolahy iray 19 taona izay mpiasa an-trano,

Card image cap
24-juil-2024

Lehilahy iray nambaran’ny havany fa handeha haka fanafody tany amin’ny toeram-pitsaboana

Card image cap