Mpamily amina "transport personnel" iray no fantatra fa nisy nikapila.tamin'ny tavoahangy ny hatony tetsy Ambohibao afak'omaly Sabotsy nifoha omaly Alahady 09 May alina. Araka ny fantatra dia olona mamo no namely ny fiara tamin'ny tavoahangy teny an-tanany. Raha iny hivoaka hijery ny zava-misy iny ilay mpamily no nasian'izy ireo tamin'ny tavoahangy ihany koa ny hatony ka naratra mafy. Lasa nitsoaka moa ireo nidaroka avy eo ka tsy tratra na dia efa nenjehin'ny olona teny amin'ny manodidina aza .Efa nametraka fitarainana teny amin'ny amin'ny manam-pahefana moa ilay niharam-pahavoazana ka inoana fa hisy tohiny ny raharaha .
Nangonin'i Pati
Légende : Naratra mafy tahaka izao ilay mpamily !