airtel

Fandriampahalemana

03-nov-2023

IHOSY

Lehilahy iray hita faty tsy nisy loha intsony

Sample post image

Mitohy hatrany ny fanapahan-doha sy ny fakana voamason’olona any amin’ny distrikan’Ihosy.

03-nov-2023

Lehilahy iray manodidina ny 45 taona eo ho eo, mpivaro-kena no fantatra fa maty nisy namono tao Antanameka omaly maraina. Ny tena mampalahelo tamin’ity tranga ity dia nisy nanapaka ny lohany ary mbola tsy hita hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Raha araka ny vaovao azo hatrany moa dia vokatry ny hamaroan’ireo mpisikidy izay mila sorona hanomezana ody ratsy ireo dahalo mpangalatra sy mpamono olona any amin’iny faritra iny no antony mahatonga izao vono olona arahin’ny fanapahana loha izao. Toraka izany koa ny fitadiavan’ireo mpimasy fahefana avy any amin’ny hery hafa tsy fantatra mba hahafahany mampitombo ny heriny. Ireo tovolahy tsy an’asa izay tena maro an’isa any amin’iny distrika ity moa no tena voasarika hanao izao asa ratsy mampatahotra izao, koa hanaovan’ny mponina antso avo amin’ny Fitondram-panjakana.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao ilay razana hita efa tsy nisy lohany intsony ! 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,

Card image cap
21-mai-2025

Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny

Card image cap
21-mai-2025

Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.

Card image cap