airtel

Fandriampahalemana

23-avril-2024

IHOSY

Vehivavy no tompon-dakan’ny halatra finday

Sample post image

Vehivavy no tompon-dakan’ny halatra finday any amin’ny distrikan’Ihosy.

23-avril-2024

Vehivavy iray manodidina ny 35 taona no nosamborin'ny Polisy tany an-toerana ny 20 Aprily lasa teo rehefa tra-tehaka nangalatra tao amin'ny mpivarotra kojakoja momba ny finday ao amin'ny Fokontany Tanambao. Finday miisa 08 be izao niampy kojakoja hafa toy ny "chargeurs" miisa 25 ary "batteries" miisa 23 no nangalirin'ity ramatoa ity. Nifanenjehan'ny fokonolona sy ny Polisy moa ity farany nandritra izany ka tratra niaraka tamin'ireo entana halatra ireo. Rehefa nanontaniana ity mpangalatra ity dia nilaza fa tsy an’asa nefa mamelon-janaka, antony mampanaotao foana azy tahaka izao. Tsiahivina moa fa saika tsy an’asa avokoa ireo mpangalatra sy mpanendaka eto amintsika saingy na izany aza tokony tsy tokony hambotry ny mpiara-belona tahaka izao izy ireo.
Pati
Legende : Ity ilay Ramatoa tratra nangalatra finday tao Ihosy !

 


 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nahitam- bokatra ny ady amin'ny asan-jiolahy hataon'ny Polisim-pirenena .

Card image cap
24-juil-2024

Volabe mitentina 3.800.000 Ariary no lasan’ny tovolahy iray 19 taona izay mpiasa an-trano,

Card image cap
24-juil-2024

Lehilahy iray nambaran’ny havany fa handeha haka fanafody tany amin’ny toeram-pitsaboana

Card image cap