airtel

Fandriampahalemana

15-juin-2026

INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

Sample post image

Tovovavy kely iray Niaina Kanto Aksa

15-juin-2026

vao 16 taona monja mpianatra ho mpitsabo mpanampy na infirmiera no fantatra fa maty nisy namono tamin'ny fomba feno habibiana, raha handeha hanao garde tao amin'ny hopitalim-panjakana HJRA, izay toerana hanaovany fanazaran'asa, andro vitsivitsy lasa izay. Nahitana dian'antsy teny amin'ny vatany raha niharan'ny herisetra ara-nofo koa izy no sady nofatorany avy eo. Raha ny loharanom-baovao dia nalaina an-keriny Ratompokovavy raha niala tany Mahitsy fonenany ho eny amin'ny Hopitaly HJRA toeram.piasany. Notakian'ireo olon-dratsy vola ny fianakaviany taorian'izany ka rehefa tsy afa-po iretsy voalohany dia izao notaperin'izy ireo izao ny ain'ilay tovovavikely. Nalevina afak'omaly Sabotsy 13 Jona ny razana. Efa mandeha moa ny fanadihadiana mikasika ity tranga mampalahelo ity ary efa misy ireo olona voasambotra ahiana ho tompon'antoka tamin'ny famonoana an-dRatompokovavy. Olom-pantatra ihany izy ireo fa tsy lavitra hoy hatrany ny loharanom-baovao azo.
Nangonin'i Pati
Légende : Ratompokovavy fony fahavelony !
 

Dans la même rubrique

15-juin-2026

Fandehanana mafy no fototry ny loza

Card image cap
12-juin-2026

Sokatra lehibe miisa 28 indray no saron'ny

Card image cap