airtel

Fandriampahalemana

19-févr-2024

Jeneraly Ravalomanana Richard

« Ho sahirana ianareo zandary sy polisy raha vitavita ho azy io »

Sample post image

Tany anaty adihevitra teny anivon’ny tambajotran-tserasera no nahitana

19-févr-2024

ny fanehoan-kevitry ny Jeneraly misotro ronono Ravalomanana Richard izay Filohan’ny Antenimierandoholona mikasika ny toe-draharaha tany Ankazomiriotra. « Tokony tsy hamelana ny nitarika sy nahavanon-doza nangalatra fitaovam-panjakana sy nanimba fitaovam-panjakana. Fanatanterahana didim-pitsarana no nataon'ny zandary, nanaraka ny lalàna velona ry zareo rehefa nanohitra avy eo nitsoaka ilay olona araka ny andininy fah- 121 amin’ny didim-panjakana 63-253 tamin’ny 09 may 1961. Koa mila averina ny principe hoe "Force doit rester à la loi". Ho sahirana ianareo zandary sy polisy ary tafika raha vitavita ho azy ny toy izao », hoy ity manamboninahitra misotro ronono izay efa Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria na SEG teo aloha ity. Raha tsiahivina , efa nisy tranga mitovitovy amin’izao tao Imeritsiatosika ny desambra 2020 fony izy SEG, ka nilazany tamin’izany hoe : « aza manafika tobin’ny mpitandro ny filaminana fa matimatimaty foana ». Rehefa zohiana, nandao ny toby, niaro ny ainy ireo zandary, ka tavela teo ny toby. Mety zava-doza hafa, toy ny ra mandriaka ihany koa raha niaro ny toby izy ireo, izay mety ho afaka nanapoaka ny basiny. Manokatra adihevitra hatrany moa itony tranga itony hoe : sao misy zavatra tokony jerena mikasika ny fifandraisana sy ny fiarahamonin’ny sivily sy ny manam-basy sao efa misy otrik’ady ka mirefotra rehefa misy zavatra mety hampitroatra ? Efa tena zava-doza ny fikomiana sy fanafihana tobin’ny mpitandro ny filaminana izany, ary tena fandikan-dalàna mihoampampana. Tsy manome rariny ny fandikan-dalàna sy ny fitsaram-bahoaka fa mila halalinina ihany koa hoe : nahoana no tonga amin’ireny ny olona ? Mitambatra ve ny hatezerana noho ny anton-javatra maro, ny fahantrana, leo tsy fandriampahalemana, leo fanararaotam-pahefana,… ka any amin’ny fihetsika tahaka ireny no hanalany ny fony ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Navotsotry ny zandary ilay Sinoa voalaza fa nitifitra basy nahafaty ilay tovolahy 26 taona zaodahiny teny

Card image cap
14-mai-2024

Vao avy nivoaka ny fonja ny 4 aprily 2024 lasa teo noho ny raharaha fanolanana ny taona 2022 ny lehilahy iray 36

Card image cap
13-mai-2024

Nifanakalo traikefa sy nanamafy ny fahaiza-manao amin'ny fampiasana basy sy tafondro

Card image cap