airtel

Fandriampahalemana

05-janv-2024

JIOLAHY AVY NAMAKY TRANO

Tratra tamin’ny andro atoandro tetsy Anosy

Sample post image

Jiolahy miisa roa mpamaky trano 24 sy 20 taona no voasambotry

05-janv-2024

ny Polisy ny fifamoivoizana teo amin'ny Ancien Combattant Anosy. Rehefa nandrindra ny fifamoivoizana teo amin'ny Ancien Combattant ny Polisy ny afak’omaly Alarobia 03 janoary tokony ho tamin'ny 03 ora hariva dia nahatsikaritra lehilahy roa mampiahiahy nitondra entana maromaro. Vao nanatona ireto farany ny Polisy dia nikasa handositra izy ireo saingy tsy afaka niporitsaka fa voatazona. Rehefa nosavaina izy ireo dia nahitana unité centrale, téléphone, vary ary kojakoja maro samihafa teny amin'izy ireo. Noentina niazo ny biraon'ny Polisy eo Mahamasina ireo lehilahy roa ireo ho atao famotorana ary niaiky avy hatrany izy ireo fa entana avy nangalarina avokoa ireo tratra teny aminy.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy sy ireo entana halatra tratra teny aminy !

 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Navotsotry ny zandary ilay Sinoa voalaza fa nitifitra basy nahafaty ilay tovolahy 26 taona zaodahiny teny

Card image cap
14-mai-2024

Vao avy nivoaka ny fonja ny 4 aprily 2024 lasa teo noho ny raharaha fanolanana ny taona 2022 ny lehilahy iray 36

Card image cap
13-mai-2024

Nifanakalo traikefa sy nanamafy ny fahaiza-manao amin'ny fampiasana basy sy tafondro

Card image cap